Mahaleo

Текст песни Paiso Rà-kena

Paiso Rà-kena видео клип

Mahaleo
Обзор
Голоса:
0
Неверный текст?

Mahaleo - Текст песни Paiso Rà-kena

Vokatra ny paiso rà-kena
Mirehitra ireo hazo mivoara mena
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsana ireo masaka

Alakamisy ariva tsy fianarana
Nifampitanana izahay roa lahy
Ho any avaratry ny labatoara
Angalatra ireo paiso rà-kena

[Chorus:]
Menamena
Asa rah tadidin'ialahy
Menamena
Ny lokon'ireo fahatsiarovana

[Chorus]

Rehefa tonga eny ambony paiso
Hidina ny varavarana
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra amin'ny tany Mahaleo - Paiso Rà-kena - http://ru.motolyrics.com/mahaleo/paiso-ra-kena-lyrics.html

Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roalahy amin'izay
Boba rà amin'ireo paiso rà-kena

[Chorus]

Indray alakamisy izy tsy tonga
Fa lasa nifindra lavitra
Sendra hariva mena masoandro
Noheveriko fa fara andro

Nody aho tsy sahy nangala-paiso
Nifampitantana aho sy ny alaeloko
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsana ireo fahatsiarovana

Rehefa lehibe hamboly paiso
Ny tokotaniko hofenoiko
Rehefa vokatra ireo paiso rà-kena
Ho avy ireo ankizy hangalatra

Оставить комментарий

Что вы думаете о песне "Paiso Rà-kena"? Напишите ваш комментарий.

Рекомендуемые песни