Mahaleo

Текст песни Any Ambanimbanivohitra Any

Any Ambanimbanivohitra Any видео клип

Mahaleo
Обзор
Голоса:
0
Неверный текст?

Mahaleo - Текст песни Any Ambanimbanivohitra Any

Any ambanimbanivohitra any ho aho
No misy ny akamanay (2)
Any koa ny dadanay e !
Any koa ny reninay
Any koa ny zokinay e !
Any koa ny zandrinay.

Mmmmmmmm ! ! ! !

Voatery handao ny ambanivohitra
Mba handrato fianarana
Ka hamonjy renivohitra
Tohatra fiakarana

Ka niezaka tokoa
Fa hikaroka ny soa
Nihevitry ny ho tafita
Nihevitry ny hahavita

Mmmmmmmm ! !

Mafy ny fiainana any e !
Ka sahirankirana
Tsy hisy hitarainana any eMahaleo - Any Ambanimbanivohitra Any - http://ru.motolyrics.com/mahaleo/any-ambanimbanivohitra-any-lyrics.html
Na mba hifikirana ! !

Vola, vola vola hatrany no takiana sesilany
Mampivadika ati-doha
Raha tsy manana dia voa

Mmmmmmm !

Anefa tsy afaka manoatra
Voatery ny mitrosa
Ka tsy afaka hivoatra
Sorisory miavosa

Tsy tafandry koa ny saina
Tsy mikipy koa ny maso
Anefa izaho tsy hitaraina
Na hiteny hoe andraso

Any ambanimbanivohitra any ho aho
No misy ny akamanay (2)
Any koa ny dadanay e !
Any koa ny reninay
Any koa ny zokinay e !
Any koa ny zandrinay.

Оставить комментарий

Что вы думаете о песне "Any Ambanimbanivohitra Any"? Напишите ваш комментарий.

Рекомендуемые песни